Psalms 64
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
2Henoy ny feoko, raha mitaraina aho, Andriamanitra ô; arovy ny aiko amin’ ny tahotro ny fahavalo.Select Psalms 64:2
3Afeno aho tsy ho azon’ ny firaisan-tetiky ny ratsy fanahy, sy ny fitabataban’ ny mpanao ratsy,Select Psalms 64:3
4Izay mandranitra ny lelany ho tahaka ny sabatra, ka mikendry handefa ny zana-tsipìkany, dia teny mangidy.Select Psalms 64:4
5Mba hitifitra mangingina ny mahitsy; mitifitra azy tampoka izy ka tsy matahotra.Select Psalms 64:5
6Hamafiny ny hevi-dratsiny; mifampitaona hanao fandri-totofana izy ka manao hoe: iza no hahita izany?Select Psalms 64:6
7Manao saim-petsy izy; omaniny tsara ny sain-dalina voaheviny; lalina ny ao anatin’ ny olombelona, dia ny fony.Select Psalms 64:7
8Mitifitra azy Andriamanitra; tampoka toy ny fiantefan’ ny zana-tsipìka no fahavoazany.Select Psalms 64:8
9Apotrany izy ka voasingotra ny lelany ihany; mandositra izay rehetra mahita azy.Select Psalms 64:9
10Dia matahotra ny olona rehetra ka manambara ny ataon’ Andriamanitra sady mandinika tsara ny asany.Select Psalms 64:10
11Mifaly amin’ i Jehovah ny marina ka mialoka aminy; eny, mifaly tena ny mahitsy fo rehetra.Select Psalms 64:11
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain