Psalms 65
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
2Ho anao ny fanginana sy ny fiderana, Andriamanitra any Ziona ô, ary aminao no anefana ny voady.Select Psalms 65:2
3Ry Mpihaino vavaka ô, Hianao no hohatonin’ ny nofo rehetra.Select Psalms 65:3
4Ny zava-mahameloka ahy dia mihoatra noho izay zakako; nefa Hianao no mamela ny fahadisoanay.Select Psalms 65:4
5Sambatra izay fidinao ka ampanatoninao hitoetra eo an-kianjanao; Te-ho voky ny zava-tsoa ao amin’ ny tranonao izahay dia ny zava-masìna ao amin’ ny tempolinao.Select Psalms 65:5
6Zava-mahatahotra no ataonao amin’ ny fahamarinana ho valin’ ny vavakay, ry Andriamanitry ny famonjena anay ô, ry tokin’ ny faran’ ny tany rehetra sy ny ranomasina eny lavitra eny.Select Psalms 65:6
7Mampiorina ny tendrombohitra amin’ ny heriny Izy, misikìna fahatanjahana Izy.Select Psalms 65:7
8Mampitsahatra ny firohondrohon’ ny onjan-dranomasina Izy, sy ny fitabataban’ ny firenena.Select Psalms 65:8
9Dia matahotra noho ny famantaranao ny mponina any am-paran’ ny tany; ny any amin’ ny fiposahan’ ny maraina sy ny hariva no ampihobinao.Select Psalms 65:9
10Mamangy ny tany Hianao ka mahamando azy; mampahavokatra azy betsaka Hianao ― Ny onin’ Andriamanitra dia tondra-drano ― Mamboatra vary ho an’ ny olona Hianao; fa izany no famboatrao ny tany.Select Psalms 65:10
11Mahampoka ny tany voasa Hianao ka mampiravona azy; ranonorana mivatravatra no amontosanao azy; mitahy ny fitsimohany Hianao.Select Psalms 65:11
12Satrohanao voninahitra ny taona fitahianao; ary ny dianao mitete menaka.Select Psalms 65:12
13Vonton-drano ny fiandrasana ondry any an-efitra, ary misikìna fifaliana ny havoana.Select Psalms 65:13
14Rakotra ondry ny saha; ary voasarona vary ny lohasaha: mihoby izy, eny, mihira koa.Select Psalms 65:14
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain