Psalms 66
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Mihobia ho an’ Andriamanitra, ry tany rehetra;Select Psalms 66:1
2Mankalazà ny voninahitry ny anarany; omeo voninahitra Izy ho fiderana Azy.Select Psalms 66:2
3Lazao amin’ Andriamanitra hoe: endrey, mahatahotra ny asanao! ny fahalehibiazan’ ny herinao no hikoizan’ ny fahavalonao Anao.Select Psalms 66:3
4Ny tany rehetra hiankohoka eo anatrehanao ka hankalaza Anao; eny, hankalaza ny anaranao izy. [Sela.]Select Psalms 66:4
5Avia, ka jereo ny asan’ Andriamanitra, mahatahotra ny zavatra ataony amin’ ny zanak’ olombelona.Select Psalms 66:5
6Efa nampody ny ranomasina ho tany maina Izy; nandeha an-tongotra nita ny ony ny olona; tao no nifaliantsika tamin’ Andriamanitra.Select Psalms 66:6
7Manjaka mandrakizay amin’ ny heriny Izy, ary ny masony mandinika ny firenen-tsamy hafa; aoka tsy hanandra-tena ny maditra. [Sela.]Select Psalms 66:7
8Misaora an’ Andriamanitsika, ry firenena; ary asandrato ny feo fiderana Azy,Select Psalms 66:8
9Izay mampitoetra ny fanahintsika amin’ ny fiainana ka tsy mamela ny tongotsika hangozohozo.Select Psalms 66:9
10Fa efa nizaha toetra anay Hianao, Andriamanitra ô; efa nanadio anay Hianao, tahaka ny fanadio volafotsy amin’ ny memy.Select Psalms 66:10
11Efa nampiditra anay tamin’ ny fandrika Hianao; efa nanisy enta-mavesatra teo am-balahanay Hianao.Select Psalms 66:11
12Efa nampandeha ny olona hanitsaka ny lohanay Hianao; nandeha namaky ny afo sy ny rano izahay; fa nitondra anay nivoaka ho amin’ ny fitahiana mahatretrika Hianao.Select Psalms 66:12
13Hiditra ao an-tranonao mitondra fanatitra dorana aho; hefaiko aminao ny voadiko,Select Psalms 66:13
14Izay notononin’ ny molotro sy naloaky ny vavako, fony aho azom-pahoriana.Select Psalms 66:14
15Hateriko aminao ho fanatitra dorana ny matavy mbamin’ ny setroky ny ondrilahy; hanatitra omby sy osilahy aho. [Sela.]Select Psalms 66:15
16Avia, mihainoa ianareo rehetra izay matahotra an’ Andriamanitra, fa holazaiko izay nataony ho an’ ny fanahiko.Select Psalms 66:16
17Izy no nantsoin’ ny vavako; ary ny fanandratana Azy no teo ambanin’ ny lelako.Select Psalms 66:17
18Raha nankasitraka ota tao am-poko aho, dia tsy mba hihaino ny Tompo;Select Psalms 66:18
19Kanefa efa nihaino tokoa Andriamanitra; efa nihaino ny feon’ ny fivavako Izy.Select Psalms 66:19
20Isorana anie Andriamanitra, izay tsy nandà ny fivavako, na nanaisotra ny famindram-pony tamiko.Select Psalms 66:20
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain