Psalms 67
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
2Andriamanitra anie hamindra fo aminay sy hitahy anay; [Sela.] hampamirapiratra ny tavany aminay anie Izy;Select Psalms 67:2
3Mba ho fantatra etỳ ambonin’ ny tany ny lalanao sy ny famonjenao any amin’ ny jentilisa rehetra.Select Psalms 67:3
4Hidera Anao ny firenena, Andriamanitra ô; eny, hidera Anao ny firenena rehetra.Select Psalms 67:4
5Hifaly sy hihoby ny firenentsamy hafa, Satria mitsara marina ny firenena Hianao; ny firenen-tsamy hafa ambonin’ ny tany dia entinao. [Sela.]Select Psalms 67:5
6Hidera Anao ny firenena, Andriamanitra ô; eny, hidera Anao ny firenena rehetra.Select Psalms 67:6
7Ny tany efa nahavokatra; mitahy antsika Andriamanitra, dia Andriamanitsika.Select Psalms 67:7
8Mitahy antsika Andriamanitra; ary hatahotra Azy ny vazan-tany rehetra.Select Psalms 67:8
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain