Psalms 68
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
2Aoka hitsangana Andriamanitra, ka hiely ny fahavalony; ary aoka izay mankahala Azy handositra ny tavany.Select Psalms 68:2
3Tahaka ny fanely setroka no fanelinao azy; tahaka ny fiempon’ ny savoka eo anoloan’ ny afo no aoka hahalevonan’ ny ratsy fanahy eo anatrehan’ Andriamanitra.Select Psalms 68:3
4Fa ny marina mifaly; eny, ravoravo eo anatrehan’ Andriamanitra izy ka faly tokoa.Select Psalms 68:4
5Mihirà ho an’ Andriamanitra, mankalazà ny anarany; manamboara lalana ho an’ izay mitaingina mamaky ny efitra Jehovah no anarany ary mifalia eo anatrehany.Select Psalms 68:5
6Rain’ ny kamboty sy Mpanome rariny ny mpitondratena Andriamanitra, ao amin’ ny fonenany masìna.Select Psalms 68:6
7Andriamanitra mampitoetra an-trano izay irery tena; mamoaka ny mpifatotra ho amin’ ny fanambinana Izy; fa ny maditra hitoetra amin’ ny tany karankaina.Select Psalms 68:7
8Andriamanitra ô, raha nandeha teo alohan’ ny olonao Hianao ka namaky ny efitra, [Sela.]Select Psalms 68:8
9Dia nihorohoro ny tany, ary nitaitaika ny lanitra, tamin’ ny fanatrehan’ Andriamanitra, na iry Sinay iry aza tamin’ ny fanatrehan’ Andriamanitra, Andriamanitry ny Isiraely.Select Psalms 68:9
10Ranonoram-pitahiana no nalatsakao tamin’ ny lovanao, Andriamanitra ô; ary raha kotra izy, dia novelombelominao.Select Psalms 68:10
11Ny olonao tamàn-toerana teo; mamboatra ho an’ ny ory araka ny fahasoavanao Hianao, Andriamanitra ô.Select Psalms 68:11
12Ny Tompo manome ny teny; ary ny vehivavy mpilaza soa dia antokony lehibe.Select Psalms 68:12
13Ireo mpanjaka be miaramila dia vaky mandositra; ary ny vehivavy izay mitoetra ao an-trano no mizara ny babo.Select Psalms 68:13
14Raha mandry eo amin’ ny vala ianareo, dia ho tahaka ny ela-boromailala miravaka volafotsy, ary ny volony miravaka volamena tsaraSelect Psalms 68:14
15Raha aelin’ ny Tsitoha eo ny mpanjaka maro, dia latsaka ny oram-panala ao Zalmona.Select Psalms 68:15
16Tendrombohitr’ Andriamanitra ny tendrombohitr’ i Basana. Tendrombohitra maro tampona ny tendrombohitr’ i Basana.Select Psalms 68:16
17Ry tendrombohitra maro tampona, nahoana ianareo no mihendry ny tendrombohitra izay tian’ Andriamanitra hitoerany? eny, hitoetra ao mandrakizay Jehovah.Select Psalms 68:17
18Ny kalesin’ Andriamanitra dia roa alina, eny, arivo arivo; ny Tompo no eo aminy; Sinay dia eo amin’ ny itoerana masìna.Select Psalms 68:18
19Efa niakatra ho any amin’ ny avo Hianao ka mitondra babo; efa nandray fanomezana teo amin’ ny olombelona Hianao ― eny, teo amin’ ny maditra aza,― mba hitoeran’ i Jehovah Andriamanitra any.Select Psalms 68:19
20Isaorana anie ny Tompo Izay mitondra ny entan-tsika isan’ andro isan’ andro, eny, Andriamanitra Izay famonjena antsika. [Sela.]Select Psalms 68:20
21Andriamanitra no Andriamanitry ny famonjena ho antsika; ary an’ i Jehovah Tompo ny fanafahana amin’ ny fahafatesana.Select Psalms 68:21
22Fa Andriamanitra mamely mafy ny lohan’ ny fahavalony, dia ny tampon-doha lava volo an’ izay mandroso amin’ ny fahadisoany.Select Psalms 68:22
23Lazain’ ny Tompo hoe: hampody ny any Basana Aho; hampody ny amin’ ny ranomasina lalina Aho,Select Psalms 68:23
24Mba hampihosenanao rà ny tongotrao, ary ho anjaran’ ny lelan’ ny amboanao ny fahavalo.Select Psalms 68:24
25Efa hita ny fandehananao, Andriamanitra ô, dia ny fandehanan’ Andriamanitro, Mpanjakako, ao amin’ ny fitoerana masìna.Select Psalms 68:25
26Mialoha ny mpihira, ary manaraka ny mpitendry valiha, eo afovoan’ ny zatovovavy mively ampongatapaka.Select Psalms 68:26
27Misaora an’ Andriamanitra eo amin’ ny fiangonana, eny, misaora ny Tompo, ianareo ary amin’ ny loharanon’ ny Isiraely.Select Psalms 68:27
28Indry Benjamina kely, mpanapaka azy, ny antokon’ ny mpanapaka ny Joda, ny mpanapaka ny Zebolona sy ny mpanapaka ny Naftaly.Select Psalms 68:28
29Andriamanitrao no nampahery anao; Ry Andriamanitra Izay miasa ho anay ô, asehoy ny herinao.Select Psalms 68:29
30Noho ny tempolinao eo an-tampon’ i Jerosalema, no hitondran’ ny mpanjaka maro fanatitra ho Anao.Select Psalms 68:30
31Teneno mafy ny biby eny anaty zozoro sy ny fivorian’ ny ombilahy mbamin’ ireo vahoaka zanak’ omby, dia izay miankohoka manatitra anja-bolafotsy aelezo ny olona tia adySelect Psalms 68:31
32Ho avy ny tremalahin’ i Egypta; Etiopia halaky hananty tanana amin’ Andriamanitra.Select Psalms 68:32
33Ry fanjakana ambonin’ ny tany, mihirà ho an’ Andriamanitra; mankalazà ny Tompo, [Sela.]Select Psalms 68:33
34Ilay mitaingina ny lanitry ny lanitra izay hatry ny fahagola; Indro, mamoaka ny feony Izy, dia feo mahery.Select Psalms 68:34
35Ekeo ho an’ Andriamanitra ny hery; ambonin’ ny Isiraely ny voninahiny, ary ny heriny any amin’ ny lanitra.Select Psalms 68:35
36Mahatahotra Hianao, Andriamanitra ô, ao amin’ ny fitoeranao masìna; Andriamanitry ny Isiraely no manome hery sy tanjaka ho an’ ny olona. Isaorana anie Andriamanitra.Select Psalms 68:36
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain