Psalms 81
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
2Mihobia ho an’ Andriamanitra herintsika; manaova feo fifaliana ho an’ Andriamanitr’ i Jakoba.Select Psalms 81:2
3Asandrato ny hira, ka velezo ny ampongatapaka, ary tendreo ny lokanga mahafinaritra mbamin’ ny valiha.Select Psalms 81:3
4Tsofy ny anjomara amin’ ny volana; eny, amin’ ny feno-volana, dia amin’ ny andro firavoravoantsika.Select Psalms 81:4
5Fa lalàna ho an’ ny Isiraely izany, ary fitsipik’ Andriamanitr’ i Jakoba.Select Psalms 81:5
6Notendreny ho vavolombelona eo amin’ i Josefa izany, raha nandeha namely ny tany Egypta Izy; nandre teny tsy fantatro aho.Select Psalms 81:6
7Nampiala ny sorony tamin’ ny entana Aho; nitsahatra tsy nitondra sobiky ny tànany.Select Psalms 81:7
8Fony azom-pahoriana ianao, dia niantso Ahy, ka namonjy anao Aho; namaly anao tao amin’ ny fiafenan’ ny kotrokorana Aho, ary nizaha toetra anao tao amin’ ny ranon’ i Meriba. [Sela.]Select Psalms 81:8
9Mihainoa, ry oloko, dia hambarako aminao; enga anie hihaino Ahy ianao, ry Isiraely.Select Psalms 81:9
10Aza asiana andriamani-kafa eo aminao; ary aza mivavaka amin’ ny andriamanitry ny firenena hafa.Select Psalms 81:10
11Izaho no Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao niakatra avy tany amin’ ny tany Egypta; atanatanao ny vavanao, dia hofenoiko.Select Psalms 81:11
12Fa tsy nihaino ny feoko ny oloko; ary ny Isiraely tsy nankato Ahy;Select Psalms 81:12
13Ka dia navelako hanaraka ny ditry ny fony Izy, handehanany manaraka ny fisainan’ ny tenany.Select Psalms 81:13
14Enga anie ka hihaino Ahy ny oloko, dia handeha amin’ ny lalako ny Isiraely;Select Psalms 81:14
15Vetivety dia hampietry ny fahavalony Aho, ka hamerina ny tanako hamely ny rafiny;Select Psalms 81:15
16Izay mankahala an’ i Jehovah dia hikoy aminy, ka dia haharitra mandrakizay ny andron’ ny oloko;Select Psalms 81:16
17Ary hampihinana azy vary tsara indrindra Izy; eny, tantely avy amin’ ny vatolampy no hamokisako anao.Select Psalms 81:17
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain