Skip to content
Church.wiki
Psalms

Psalms 84

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

2Endrey ny hatsaran’ ny tabernakelinao, Jehovah, Tompon’ ny maro, ô!Select Psalms 84:2

3Manina sady vonton’ alahelo ny kianjan’ i Jehovah ny fanahiko; ny foko sy ny nofoko mihoby an’ Andriamanitra velona.Select Psalms 84:3

4Eny, ny tsikirity mahita trano, ary ny sidintsidina mahita akany ho azy hametrahany ny zanany. Dia ny alitaranao, Jehovah, Tompon’ ny maro ô, Mpanjakako sy Andriamanitro.Select Psalms 84:4

5Sambatra izay mitoetra ao an-tranonao; hidera Anao mandrakariva izy. [Sela.]Select Psalms 84:5

6Sambatra izay olona manan-kery avy aminao; ao am-pony ny lalana;Select Psalms 84:6

7Raha mandeha mamaky ny lohasaha Baka izy, Dia ataony misy loharano izany, ary ny loha-orana manarom-pitahiana azy.Select Psalms 84:7

8Miampy hery eny am-pandehanana izy; samy miseho eo anatrehan’ Andriamanitra any Ziona izy rehetra.Select Psalms 84:8

9Jehovah, Andriamanitry ny maro ô, henoy ny fivavako; mandrenesa ry Andriamanitr’ i Jakoba ô. [Sela.]Select Psalms 84:9

10Andriamanitra, Ampinganay ô, tsinjovy ka jereo ny tavan’ ny voahosotrao.Select Psalms 84:10

11Fa ny indray andro eo an-kianjanao dia tsara noho ny arivo; aleoko mipetraka eo amin’ ny tokonam-baravaran’ ny tranon’ Andriamanitra, toy izay mitoetra ao an-dain’ ny ratsy fanahy.Select Psalms 84:11

12Fa Masoandro sy Ampinga Jehovah Andriamanitra; fahasoavana sy voninahitra no homen’ i Jehovah; tsy hiaro zava-tsoa amin’ izay mandeha amin’ ny fahitsiana izy.Select Psalms 84:12

13Jehovah, Tompon’ ny maro ô, sambatra izay olona matoky Anao.Select Psalms 84:13

Next: Psalms 85Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Psalms

Selected verses

Tap another verse to select a range.