Psalms 90
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Tompo ô, efa fonenanay hatramin’ ny taranaka rehetra Hianao.Select Psalms 90:1
2Fony tsy mbola ary ny tendrombohitra, Na voaforonao ny tany sy izao rehetra izao, Dia Andriamanitra Hianao hatramin’ ny taloha indrindra ka mandrakizay.Select Psalms 90:2
3Mamerina ny olona ho amin’ ny vovoka Hianao Ka manao hoe: Miverena, ry zanak’ olombelona.Select Psalms 90:3
4Fa eo imasonao ny arivo taona dia toy ny fandalon’ ny omaly, Ary tahaka ny fotoam-piambenana iray amin’ ny alina.Select Psalms 90:4
5Manindao azy tahaka ny riaka Hianao torimaso izy; Amin’ ny maraina tahaka ny ahitra mora miova izy.Select Psalms 90:5
6Amin’ ny maraina mamony izy, nefa mora miova; Amin’ ny hariva voajinja izy ka maina.Select Psalms 90:6
7Fa lanin’ ny fahatezeranao izahay, Ary raiki-tahotra noho ny fahaviniranao.Select Psalms 90:7
8Ny helokay efa nataonao teo anatrehanao, Ary ny fahotanay miafina teo amin’ ny fahazavan’ ny tavanao.Select Psalms 90:8
9Fa ny androanay rehetra efa lasa amin’ ny fahatezeranao; Efa laninay toy ny eritreritra ny taonanay.Select Psalms 90:9
10Fito-polo taona no andron’ ny taonanay Ary raha tàhiny mateza aza, dia valo-polo taona, Nefa fahasasarana sy zava-poana ny voninahiny, Fa mihelina faingana izany, ka lasa manidina izahay.Select Psalms 90:10
11Iza no mahafantatra ny herin’ ny fahatezeranao sy ny fahaviniranao Araka izay tokony ho fahatahorana Anao?Select Psalms 90:11
12Mampianara anay hanisa ny andronay, Hahazoanay fo hendry.Select Psalms 90:12
13Miverena, Jehovah ô! Mandra-pahoviana? Ary mba aneneno ny amin’ ny mpanomponao.Select Psalms 90:13
14Vokiso ny famindram-ponao nony maraina izahay, Mba hihobianay sy hifalianay amin’ ny andro rehetra hiainanay.Select Psalms 90:14
15Mampifalia anay araka ny andro nampahorianao anay Sy ny taona nahitanay loza.Select Psalms 90:15
16Aoka hiseho amin’ ny mpanomponao ny asanao, Ary ny voninahitrao amin’ ny zanany.Select Psalms 90:16
17Ary aoka ho aminay ny fahasoavan’ ny Tompo Andriamanitray; Ary ampitoero aminay ny asan’ ny tananay; Eny, ny asan’ ny tananay, ampitoero izy.Select Psalms 90:17
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain