Psalms 93
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Jehovah no Mpanjaka mitafy voninahitra Izy; Jehovah mitafy, eny, misikìna hery Izy; Ary izao rehetra izao nampitoerina ka tsy hihetsika.Select Psalms 93:1
2Ny seza fiandriananao nampitoerina hatramin’ ny fahagola; Hatrizay hatrizay Hianao.Select Psalms 93:2
3Mamandra-peo ny riaka, Jehovah ô, Eny, manandra-peo ny riaka; Mampirohondrohona ny feony ny riaka.Select Psalms 93:3
4Mihoatra noho ny rano sady be no mahery, Eny, mihoatra noho ny onjan-dranomasina lehibe, Ny voninahitr’ i Jehovah any amin’ ny avo.Select Psalms 93:4
5Ny teni-vavolombelonao dia marina indrindra; Fahamasinana no mendrika ny tranonao mandritra ny andro maro, Jehovah ô.Select Psalms 93:5
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain