Skip to content
Church.wiki
Revelation

Revelation 11

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Ary nomena volotara tahaka ny tehina aho, ka nisy nilaza tamiko hoe: Mitsangàna, ka refeso ny tempolin’ Andriamanitra sy ny alitara, ary isao izay mivavaka ao.Select Revelation 11:1

2Fa ny kianja eo ivelan’ ny tempoly dia avelao ihany, fa aza mba refesina; fa nomena ny jentilisa izany, ka hanitsaka ny tanàna masìna roa amby efa-polo volana izy.Select Revelation 11:2

3Ary homeko hery ny vavolombeloko roa, ka haminany enim-polo amby roan-jato amby arivo andro izy, sady hitafy lamba fisaonana.Select Revelation 11:3

4Ireo ilay hazo oliva roa sy ilay fanaovan-jiro roa, izay mitsangana eo anatrehan’ ny Tompon’ ny tany.Select Revelation 11:4

5Ary raha misy ta-handratra ireo, dia misy afo mivoaka amin’ ny vavany ka mandany ny fahavalony; ary rana misy ta-handratra ireo, dia tsy maintsy hovonoina toy izany koa izy.Select Revelation 11:5

6Ireo dia manam-pahefana handrindrina ny lanitra, mba tsy hilatsahan’ ny ranonorana amin’ ny andro aminaniany; ary manam-pahefana amin’ ny rano koa izy hampody azy ho rà sy hamely ny tany amin’ ny loza araka izay andro tiany na oviana na oviana.Select Revelation 11:6

7Ary rehefa tanteraka ny filazany, dia hiady aminy kosa ilay bibi-dia miakatra avy amin’ ny lavaka tsy hita noanoa ka haharesy sy hahafaty azy.Select Revelation 11:7

8Ary ny fatiny hiampatra eny an-dalambe amin’ ny tanàna lehibe, izay atao, araka ny hevi-panahy, hoe Sodoma sy Egypta, sady tao koa no nanomboana ny Tompony tamin’ ny hazo fijaliana.Select Revelation 11:8

9Ary ny olona sy ny fokom-pirenena sy ny samy hafa fiteny ary ny firenena maro dia misy mijery ny fatiny hateloan’ andro sy tapany; ary tsy avelany halevina ao am-pasana ny fatiny.Select Revelation 11:9

10Ary ny mponina ambonin’ ny tany mifaly azy ka ravoravo, ary hifanati-javatra izy, satria nampangirifiry ny mponina ambonin’ ny tany ireo mpaminany roa ireo.Select Revelation 11:10

11Ary rehefa afaka ny hateloan’ andro sy tapany, dia nisy fanahin’ aina avy tamin’ Andriamanitra niditra tao anatin’ ireo, ary nijoro tamin’ ny tongony izy, ka raiki-tahotra indrindra izay nahita azy.Select Revelation 11:11

12Ary nahare feo mahery avy tany an-danitra izy roa nanao taminy hoe: Miakara atỳ. Dia niakatra ho any an-danitra tao anatin’ ny rahona ireo; ary nahatsinjo azy ny fahavalony.Select Revelation 11:12

13Ary tamin’ izany ora izany dia nisy horohorontany mafy, ka rava ny ampahafolon’ ny tanàna, ary maty tamin’ izany horohorontany izany ny olona fito arivo; ary raiki-tahotra ny olona sisa ka nanome voninahitra an’ Andriamanitry ny lanitra.Select Revelation 11:13

14Lasa ny loza faharoa; indro, avy faingana ny loza fahatelo.Select Revelation 11:14

15Ary ny anjely fahafito nitsoka, dia nisy feo mafy tany an-danitra nanao hoe: Ny fanjakana amin’ izao tontolo izao dia efa lasan’ ny ny Tompontsika sy ny Kristiny; ary Izy no hanjaka mandrakizay mandrakizay.Select Revelation 11:15

16Ary ny loholona fatra amby roa-polo, izay mipetraka eo ambonin’ ny seza fiandrianany eo anatrehan’ Andriamanitra, dia niankohoka ka nivavaka tamin’ AndriamanitraSelect Revelation 11:16

17nanao hoe: Misaotra Anao izahay, Tompo Ô, Andriamanitra Tsitoha, Ilay ankehitriny sy taloha, Satria nasehonao ny herinao lehibe, ka efa manjaka Hianao.Select Revelation 11:17

18Ary tezitra ny firenena maro, ary tonga ny fahatezeranao Sy ny fotoana hitsarana ny maty, sy hanomezana valim-pitia ny mpaminany mpanomponao sy ny olona masìna ary izay matahotra ny anaranao, na kely na lehibe, ary mba hanimbanao izay manimba ny tany.Select Revelation 11:18

19Ary novohana ny tempolin’ Andriamanitra any an-danitra, ka hita ny fiaran’ ny fanekeny teo anatin’ ny tempoliny; ary nisy helatra sy feo sy kotrokorana sy horohorontany ary havandra vaventy.Select Revelation 11:19

Next: Revelation 12Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Revelation

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.