Skip to content
Church.wiki
Revelation

Revelation 12

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Ary nisy famantarana lehibe hita tany an-danitra, dia vehivavy mitafy ny masoandro, ary ny volana no eo ambanin’ ny tongony, ary misy satro-boninahitra kintana roa ambin’ ny folo amin’ ny lohany,Select Revelation 12:1

2sady bevohoka izy; ary mihetsi-jaza izy ka mitaraina, satria marary fatratra efa hiteraka.Select Revelation 12:2

3Ary nisy famantarana hafa koa hita tany an-danitra, ka, indro, nisy dragona mena lehibe manan-doha fito sy tandroka folo, ary misy diadema fito amin’ ny lohany.Select Revelation 12:3

4Ary ny rambony dia manala ny ampahatelon’ ny kintana amin’ ny lanitra ka manjera ireny ho amin’ ny tany; ary ny dragona nijanona teo anatrehan’ ilay vehivavy efa hiteraka mba handrapaka ny zanany, raha vao teraka;Select Revelation 12:4

5ary niteraka zazalahy izy, izay efa hanapaka ny firenena rehetra amin’ ny tehim-by; ary ny zanany novonjena faingana nakarina ho any amin’ Andriamanitra, dia ho any amin’ ny seza fiandrianany.Select Revelation 12:5

6Ary ravehivavy kosa nandositra nankany an-efitra, izay nisy fitoerany namboarin’ Andriamanitra, mba hovelomina any enim-polo amby roan-jato amby arivo andro izy.Select Revelation 12:6

7Ary nisy ady tany an-danitra: Mikaela sy ny anjeliny niady tamin’ ilay dragona; ary ilay dragona mbamin’ ny anjeliny kosa dia niady,Select Revelation 12:7

8nefa tsy naharesy, sady tsy nisy fitoerana ho azy intsony tany an-danitra.Select Revelation 12:8

9Ary nazera ilay dragona, dia ilay menarana ela, izay atao hoe devoly sy Satana, izay mamitaka izao tontolo izao; dia nazera tamin’ ny tany izy, ary ny anjeliny koa niaraka nazera taminy.Select Revelation 12:9

10Dia nahare feo mahery tany an-danitra aho nanao hoe: Ankehitriny dia tonga ny famonjena sy ny hery sy ny fanjakan’ Andriamanitsika, Ary ny fahefan’ ny Kristiny, Satria nazera ilay mpiampanga ny rahalahintsika, dia ilay miampanga azy eo anatrehan’ Andriamanitsika andro aman’ alina.Select Revelation 12:10

11Ary izy ireo naharesy azy noho ny amin’ ny ran’ ny Zanak’ ondry Sy ny teny filazana Azy, Ary tsy nankamamy ny ainy intsony iry, na dia ho faty aza.Select Revelation 12:11

12Ary noho izany mifalia, ry lanitra sy ianareo izay monina ao aminy. Loza ho an’ ny tany sy ny ranomasina! Fa nidina ho aminareo ny devoly sady manana fahatezerana lehibe, Satria fantany fa kely sisa ny androny.Select Revelation 12:12

13Ary rehefa hitan’ ilay dragona fa nazera tamin’ ny tany izy, dia nanenjika ilay vehivavy niteraka ny zazalahy izy.Select Revelation 12:13

14Ary ilay vehivavy nomena ny elatra roa an’ ny voromahery lehibe hanidinany ho any an-efitra, ho any amin’ ny fitoerany, izay itaizana azy fetr’ andro iray sy fetr’ andro roa ary antsasaky ny fetr’ andro, mba tsy ho hitan’ ilay menarana izy.Select Revelation 12:14

15Ary ilay menarana namoaka rano tamin’ ny vavany, toy ny riaka, hanaraka an-dravehivavy, mba hindaosin’ ny riaka iry.Select Revelation 12:15

16Nefa ny tany namonjy an-dravehivavy, fa nivava ny tany ka nitelina ny riaka izay navoaky ny dragona tamin’ ny vavany.Select Revelation 12:16

17Dia tezitra tamin’ ilay vehivavy ny dragona ka lasa nandeha hiady tamin’ ny zanany sisa, izay mitandrina ny didin’ Andriamanitra sy mitana ny filazana an’ i Jesosy. Ary nitsangana teo ambonin’ ny fasiky ny ranomasina izy.Select Revelation 12:17

Next: Revelation 13Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Revelation

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.