Skip to content
Church.wiki
Revelation

Revelation 13

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Ary hitako fa, indro, nisy bibi-dia niakatra avy tamin’ ny ranomasina, nanan-tandroka folo sy loha fito, ary tamin’ ny tandrony dia nisy diadema folo; ary tamin’ ny lohany dia nisy anarana fitenenan-dratsy.Select Revelation 13:1

2Ary ny bibi-dia izay efa hitako dia tahaka ny leoparda, ary ny tongony tahaka ny an’ ny bera, ary ny vavany tahaka ny vavan’ ny liona; ary ilay dragona nanome azy ny heriny sy ny seza fiandrianany ary fahefana lehibe.Select Revelation 13:2

3Ary hitako ny lohany anankiray, izay toa voa ka efa ho faty; nefa sitrana ihany ilay feriny saiky nahafaty azy; ary gaga ny tany rehetra nanaraka ilay bibi-dia.Select Revelation 13:3

4Ary dia niankohoka teo anoloan’ ilay dragona ireo, satria izy no nanome ny fahefana ho an’ ny bibi-dia; ary niankohoka teo anoloan’ ny bibi-dia koa ireo ka nanao hoe: Iza no tahaka ny bibi-dia? ary iza no mahay miady aminy?Select Revelation 13:4

5Dia nomena lela miteny zavatra mihoapampana sy fitenenan-dratsy izy, ary nomena fahefana mba hiasa roa amby efa-polo volana.Select Revelation 13:5

6Ary nanokatra ny vavany hiteny ratsy an’ Andriamanitra izy, dia ny hiteny ratsy ny anarany sy ny tabernakeliny, dia ireo mitoetra any an-danitra.Select Revelation 13:6

7Ary navela hiady tamin’ ny olona masìna izy ka haharesy azy; ary nomena fahefana tamin’ ny fokom-pirenena sy ny olona sy ny samy hafa fiteny ary ny firenena rehetra iry.Select Revelation 13:7

8Ary hiankohoka eo anoloany ny olona rehetra monina ambonin’ ny tany, dia izay tsy manana ny anarany voasoratra eo amin’ ny bokin’ ny fiainan’ ny Zanak’ ondry, izay voavono hatramin’ ny nanorenana izao tontolo izao.Select Revelation 13:8

9Raha misy manan-tsofina, aoka izy hihaino.Select Revelation 13:9

10Raha misy mamabo, dia mba hobaboina kosa izy; ary raha misy mamono amin’ ny sabatra, dia tsy maintsy hovonoina amin’ ny sabatra kosa izy. Indro ny faharetana sy ny finoan’ ny olona masìna.Select Revelation 13:10

11Ary hitako fa, indro, nisy bibi-dia iray koa niakatra avy tamin’ ny tany; ary nanan-tandroka roa tahaka ny an’ ny zanak’ ondry izy sady niteny tahaka ny dragona.Select Revelation 13:11

12Ary ny fahefana rehetra nananan’ ilay bibi-dia voalohany dia asehony eo anatrehany, ary ny tany mbamin’ izay monina eo dia asainy miankohoka eo alohan’ ilay bibi-dia voalohany, izay efa sitrana tamin’ ilay feriny saiky nahafaty azy.Select Revelation 13:12

13Ary manao famantarana lehibe izy, ka dia mampidina afo avy any an-danitra ho amin’ ny tany eo imason’ ny olona aza.Select Revelation 13:13

14Ary mamitaka izay monina ambonin’ ny tany izy amin’ ny famantarana izay nomena ary hatao eo imason’ ny bibi-dia, sady milaza amin’ izay monina ambonin’ ny tany koa mba hanao sary ho an’ ny bibi-dia, izay voan’ ny sabatra, nefa velona ihany.Select Revelation 13:14

15Ary navela hanisy aina ny sarin’ ny bibi-dia izy, mba hahateny ny sarin’ ny bibi-dia, ary hampamono izay rehetra tsy mety miankohoka eo anoloan’ ny sarin’ ny bibi-dia.Select Revelation 13:15

16Ary ny olona rehetra, na ny kely na ny lehibe, na ny manan-karena na ny malahelo, na ny tsy andevo na ny andevo, dia ampandraisiny marika eo amin’ ny tànany ankavanana na eo amin’ ny handriny avokoa,Select Revelation 13:16

17mba tsy hisy hahazo hividy na hivarotra, afa-tsy izay manana ny marika, dia ny anaran’ ny bibi-dia, na ny isan’ ny anarany.Select Revelation 13:17

18Indro ny fahendrena. Aoka izay manan-tsaina hanisa ny isan’ ny bibi-dia, fa fanisan’ olona izany; ary enina amby enim-polo amby enin-jato no isany.Select Revelation 13:18

Next: Revelation 14Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Revelation

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.