Revelation 15
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Ary hitako fa, indro, nisy famantarana iray koa tany an-danitra, sady lehibe mahagaga, dia anjely fito izay nanana ny Ioza fito farany, Satria ireny no enti-mahatanteraka ny fahatezeran’ Andriamanitra.Select Revelation 15:1
2Ary nahita aho fa, indro, toa ranomasina fitaratra miharo afo, ary izay naharesy ka afaka tamin’ ny bibi-dia sy ny sariny ary ny isan’ ny anarany dia nitsangana teo amoron’ ny ranomasina fitaratra, nitana lokangan’ Andriamanitra.Select Revelation 15:2
3Ary mihira ny fihiran’ i Mosesy, mpanompon’ Andriamanitra, sy ny fihiran’ ny Zanak’ ondry izy manao hoe: Lehibe sy mahatalanjona ny asanao, Tompo Ô, Andriamanitra Tsitoha; Mahitsy sy marina ny lalanao, Ry Mpanjaka mandrakizay.Select Revelation 15:3
4Iza no tsy hatahotra? Ary iza no tsy hankalaza ny anaranao, Tompo ô? Fa Hianao ihany no masìna, ary ny firenena rehetra ho avy hiankohoka eo anatrehanao; Fa efa naharihary ny fitsarana marina nataonao.Select Revelation 15:4
5Ary rehefa afaka izany, dia nahita aho fa, indro, novohana ny tempoly, dia ny tabernakelin’ ny vavolombelona tany an-danitra;Select Revelation 15:5
6ary ny anjely fito izay nanana ny loza fito dia nivoaka avy tao amin’ ny tempoly, ary niravaka vato soa madio sy mamirapiratra izy sady nisikina fisikinam-bolamena teo amin’ ny tratrany.Select Revelation 15:6
7Ary ny anankiray tamin’ ny zava-manan’ aina efatra nanome ny anjely fito lovia volamena fito, feno ny fahatezeran’ Andriamanitra, Izay velona mandrakizay mandrakizay.Select Revelation 15:7
8Ary ny tempoly dia feno setroka avy tamin’ ny voninahitr’ Andriamanitra sy ny heriny, ka tsy nisy nahazo niditra tao amin’ ny tempoly mandra-pahatanteraky ny loza fito nentin’ ny anjely fito.Select Revelation 15:8
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation