Revelation 2
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Soraty ho amin’ ny anjelin’ ny fiangonana any Efesosy. Izao no lazain’ ilay miharona ny kintana fito eny an-tànany ankavanana sady mandeha eo afovoan’ ny fanaovan-jiro volamena fito:Select Revelation 2:1
2Fantatro ny asanao sy ny fikelezanao aina sy ny faharetanao ary ny tsi-fahazakanao izay mpanao ratsy; ary ianao efa nizaha toetra izay milaza ny tenany ho Apostoly, kanjo tsy izy, ary hitanao fa mpandainga izy;Select Revelation 2:2
3ary manana faharetana ianao ka niaritra noho ny anarako sady tsy reraka.Select Revelation 2:3
4Kanefa manan-teny aminao Aho, satria efa niala tamin’ ny fitiavanao voalohany ianao.Select Revelation 2:4
5Koa tsarovy izay nitoeranao fony tsy mbola lavo, dia mibebaha, ka manaova ny asa voalohany; fa raha tsy izany, dia ho avy aminao Aho ka hamindra ny fanaovan-jironao hiala amin’ ny fitoerany, raha tsy mibebaka ianao.Select Revelation 2:5
6Kanefa izao no toetranao: halanao ny asan’ ny Nikolaïta, izay halako koa.Select Revelation 2:6
7Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ ny Fanahy amin’ ny fiangonana. Izay maharesy dia havelako hihinana ny avy amin’ ny hazon’ aina, izay eo amin’ ny Paradisan’ Andriamanitra.Select Revelation 2:7
8Ary soraty ho amin’ ny anjelin’ ny fiangonana any Smyrna: Izao no lazain’ ny Voalohany sy ny Farany, Izay efa maty, nefa velona indray:Select Revelation 2:8
9Fantatro ny fahorianao sy ny fahantranao (nefa manan-karena ianao), ary ny fitenenan-dratsy ataon’ izay milaza ny tenany ho Jiosy, kanjo tsy izy, fa synagogan’ i Satana.Select Revelation 2:9
10Aza matahotra izay efa hiaretanao; indro, ny devoly efa hanao ny sasany aminareo ao an-tranomaizina, mba ho voazaha toetra ianareo, ary hanam-pahoriana hafoloana. Aoka ho mahatoky hatramin’ ny fahafatesana ianao, dia homeko anao ny satro-boninahitra fiainana.Select Revelation 2:10
11Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ ny Fanahy amin’ ny fiangonana. Izay maharesy dia tsy hosimban’ ny fahafatesana faharoa.Select Revelation 2:11
12Ary soraty ho amin’ ny anjelin’ ny fiangonana any Pergamosy: Izao no lazain’ ilay manana ny sabatra roa lela maranitra:Select Revelation 2:12
13Fantatro izay onenanao, dia ao amin’ ny itoeran’ ny seza fiandrianan’ i Satana; ary mitàna mafy ny anarako ianao ka tsy nandà ny finoana Ahy, na dia tamin’ ny andron’ i Antipasy martiorako aza, izay lehilahy nahatoky Ahy, dia ilay novonoina teo aminareo, teo amin’ izay onenan’ i Satana.Select Revelation 2:13
14Kanefa manan-teny kely aminao Aho, fa misy eo aminao izay mitàna ny fampianaran’ i Balama, ilay nanome fo an’ i Balaka hanisy fahatafintohinana teo anoloan’ ny Zanak’ isiraely, hihinana hena naterina tamin’ ny sampy sy hijangajanga.Select Revelation 2:14
15Ary toy izany koa, misy eo aminao izay mitàna ny fampianaran’ ny Nikolaïta tahaka ny an’ ireny.Select Revelation 2:15
16Koa dia mibebaha; fa raha tsy izany, dia ho avy aminao faingana Aho ka hamely ireo amin’ ny sabatry ny vavako.Select Revelation 2:16
17Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ ny Fanahy amin’ ny fiangonana. Izay maharesy dia homeko mana miafina sady homeko vato fotsy, ary eo amin’ ny vato dia misy anaram-baovao voasoratra, izay tsy fantatr’ olona afa-tsy izay mandray azy ihany.Select Revelation 2:17
18Ary soraty ho amin’ ny anjelin’ ny fiangonana any Tyatira: Izao no lazain’ ny Zanak’ Andriamanitra, Izay manana maso toy ny lelafo, ary ny tongony tahaka ny varahina manganohano:Select Revelation 2:18
19Fantatro ny asanao sy ny fitiavanao sy ny finoanao sy ny fanompoanao ary ny faharetanao, ary ny asanao farany dia be noho ny voalohany.Select Revelation 2:19
20Kanefa manan-teny aminao Aho, satria ianao mandefitra amin’ ilay vehivavy Jezebela, izay milaza ny tenany ho mpaminanivavy ka mampianatra sady manoloky ny mpanompoko hijangajanga sy hihinana hena naterina tamin’ ny sampy.Select Revelation 2:20
21Ary nomeko andro hibebahany izy, nefa tsy mety mibebaka amin’ ny fijangajangany izy.Select Revelation 2:21
22Indro, hampandamahiko eo am-pandriana izy, ary izay mijangajanga aminy dia hataoko ao amin’ ny fahoriana lehibe, raha tsy hibebaka amin’ ny asan-dravehivavy izy.Select Revelation 2:22
23Ary hovonoiko amin’ ny fahafatesana ny zanany; ary ny fiangonana rehetra hahalala fa Izaho no mandinika ny voa sy ny fo; ary homeko araka ny asanareo avy ianareo rehetra.Select Revelation 2:23
24Fa aminareo izay sisa any Tyatira, dia izay tsy manana izany fampianarana izany sady tsy mba mahalala ny ataon’ ireo hoe “sain-dalin’ i Satana”, dia izao no lazaiko: tsy hovesarako entana hafa ianareo;Select Revelation 2:24
25kanefa izay anananareo dia tano mafy mandra-pihaviko.Select Revelation 2:25
26Ary izay maharesy ka mitandrina ny asako hatramin’ ny farany dia homeko fahefana amin’ ny jentilisa;Select Revelation 2:26
27ary hiandry azy amin’ ny tehim-by izy ka hanorotoro azy toy ny fanorotoro vilany tany, dia araka izay efa noraisiko tamin’ ny Raiko.Select Revelation 2:27
28Ary homeko azy ny kintana fitarika andro.Select Revelation 2:28
29Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ ny Fanahy amin’ ny fiangonana.Select Revelation 2:29
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation