Skip to content
Church.wiki
Revelation

Revelation 20

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Ary hitako fa, indro, nisy anjely nidina avy tany an-danitra, nanana ny fanalahidin’ ny lavaka tsy hita noanoa sy gadra lehibe eny an-tànany;Select Revelation 20:1

2dia nisambotra ilay dragona izy (dia ilay menarana ela, ny devoly sy Satana izany) ka namatotra ary arivo taona,Select Revelation 20:2

3dia nanipy ary ho amin’ ny lavaka tsy hita noanoa ka nanidy izany, dia nanisy tombo-kase teo amboniny, mba tsy hamitahany ny firenena maro intsony mandra-pahatapitry ny arivo taona; ary rehefa afaka izany, dia tsy maintsy hovahana kelikely aloha izy.Select Revelation 20:3

4Ary nahita seza fiandrianana maro aho, ary nisy nipetraka teo amboniny, ary nomena fahefana hitsara izy; ary hitako koa ny fanahin’ izay notapahin-doha noho ny filazana an’ i Jesosy sy ny tenin’ Andriamanitra sy izay rehetra tsy niankohoka teo anoloan’ ny bibi-dia na teo anoloan’ ny sariny ary tsy nandray ny marika ho eo amin’ ny handriny na ho eo amin’ ny tànany; ary velona izy ka niara-nanjaka tamin’ i Kristy arivo taona.Select Revelation 20:4

5Fa ny sisa amin’ ny maty dia tsy mbola velona mandra-pahatapitry ny arivo taona. Izany no fitsanganana voalohany.Select Revelation 20:5

6Sambatra sy masìna izay manana anjara amin’ ny fitsanganana voalohany; ireo tsy mba ananan’ ny fahafatesana faharoa fahefana, fa ho mpisoron’ Andriamanitra sy Kristy ireo ka hiara-manjaka aminy arivo taona.Select Revelation 20:6

7Ary rehefa tapitra ny arivo taona, dia hovahana Satana ho afaka ao amin’ ny tranomaizina nitoeranySelect Revelation 20:7

8ka hivoaka hamitaka ny firenena eny amin’ ny vazan-tany efatra, dia Goga sy Magoga, mba hanangona ary ho any amin’ ny ady; tahaka ny fasiky ny ranomasina ny isany.Select Revelation 20:8

9Ary niakatra namaky ny tany izy, dia nanodidina ny tobin’ ny olona masìna sy ny tanàna malala; ary nisy afo nidina avy tany an-danitra ka nandany azy.Select Revelation 20:9

10Ary ny devoly izay namitaka azy dia natsipy tany amin’ ny farihy afo sy solifara, izay misy ilay bibi-dia sy ilay mpaminany sandoka koa, ary hampijalina andro amin’ alina mandrakizay mandrakizay ireo.Select Revelation 20:10

11Ary hitako fa, indro, nisy seza fiandrianana fotsy lehibe sy Ilay mipetraka eo amboniny; ny tany sy ny lanitra nandositra ny tavany, ka tsy nisy hitoerany intsony.Select Revelation 20:11

12Ary nahita ny maty aho, na ny lehibe na ny kely, nitsangana teo anoloan’ ny seza fiandrianana; ary novelarina ny boky; ary nisy boky iray koa novelarina, dia ny bokin’ ny fiainana izany; ary ny maty dia notsaraina araka izay zavatra voasoratra teo anatin’ ny boky, araka ny asany.Select Revelation 20:12

13Ary ny ranomasina dia namoaka ny maty tao anatiny; ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita namoaka ny maty tao aminy; dia samy notsaraina araka ny asany izy.Select Revelation 20:13

14Ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita dia natsipy tany amin’ ny farihy afo. Izany no fahafatesana faharoa, dia ny farihy afo.Select Revelation 20:14

15Ary raha nisy tsy hita voasoratra teo anatin’ ny bokin’ ny fiainana, dia natsipy tany amin’ ny farihy afo izy.Select Revelation 20:15

Next: Revelation 21Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Revelation

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.