Revelation 3
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Ary soraty ho amin’ ny anjelin’ ny fiangonana any Sardisy: Izao no lazain’ ilay manana ny Fanahy fiton’ Andriamanitra sy ny kintana fito: Fantatro ny asanao, fa manana anarana ho velona ianao, kanjo maty ihany.Select Revelation 3:1
2Miambena, ka aoreno tsara ny zavatra sisa izay saiky maty; fa tsy nisy hitako tanteraka ny asanao eo anatrehan’ Andriamanitro.Select Revelation 3:2
3Dia tsarovy ny amin’ ny nandraisanao sy ny nandrenesanao, ary tano mafy, ka mibebaha. Koa raha tsy hiambina ianao, dia ho tonga toy ny fihavin’ ny mpangalatra Aho, ka tsy ho fantatrao izay ora hihaviako aminao.Select Revelation 3:3
4Kanefa misy olona vitsy atỳ aminao atỳ Sardisy izay tsy nandoto ny fitafiany; ary hiara-mandeha amiko mitafy lamba fotsy ireo, satria miendrika Izy.Select Revelation 3:4
5Izay maharesy dia hitafy lamba fotsy tahaka ireo koa, ary tsy hamono ny anarany eo amin’ ny bokin’ ny fiainana tokoa Aho, fa hanaiky ny anarany eo anatrehan’ ny Raiko sy eo anatrehan’ ny anjeliny.Select Revelation 3:5
6Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ ny Fanahy amin’ ny fiangonana.Select Revelation 3:6
7Ary soraty ho amin’ ny anjelin’ ny fiangonana any Filadelfia: Izao no lazain’ izay masìna, Izay marina, Izay manana ny fanalahidin’ i Davida, Izay mamoha ka tsy hisy hanidy, ary manidy ka tsy misy mamoha:Select Revelation 3:7
8Fantatro ny asanao (indro, efa nasiako varavarana mivoha eo anatrehanao, ka tsy misy maharindrina azy), fa manana hery kely ihany ianao ka nitandrina ny teniko ary tsy mba nandà ny anarako.Select Revelation 3:8
9Indro, alaiko ny sasany amin’ ny synagogan’ i Satana, izay milaza ny tenany ho Jiosy, kanjo tsy izy, fa mandainga, indro, hataoko tonga hiankohoka eo anoloan’ ny tongotrao ireo, ka ho fantany fa Izaho efa tia anao.Select Revelation 3:9
10Satria efa nitandrina ny teniko ny amin’ ny faharetana ianao, Izaho kosa hiaro anao ho voavonjy amin’ ny andro fakam-panahy izay efa hihatra amin’ izao tontolo izao ho fizahan-toetra izay monina ambonin’ ny tany.Select Revelation 3:10
11Ho avy faingana Aho; tano mafy izay anananao, mba tsy hisy haka ny satro-boninahitrao.Select Revelation 3:11
12Izay maharesy no hataoko andry eo amin’ ny tempolin’ Andriamanitro, ary tsy hiala eo intsony izy; ary hosoratako eo aminy ny anaran’ Andriamanitro sy ny anaran’ ny tanànan’ Andriamanitro, dia Jerosalema vaovao, izay midìna avy any an-danitra avy amin’ Andriamanitro, ary ilay anarako vaovao.Select Revelation 3:12
13Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ ny Fanahy amin’ ny fiangonana.Select Revelation 3:13
14Ary soraty ho amin’ ny anjelin’ ny fiangonana any Laodikia: Izao no lazain’ ny Amena, dia Ilay Vavolombelona mahatoky sy marina, Izay niandohan’ izao zavatra noharin’ Andriamanitra izao:Select Revelation 3:14
15Fantatro ny asanao, fa tsy mangatsiaka na mafana ianao; aleo ho mangatsiaka na ho mafana ianao.Select Revelation 3:15
16Fa satria matimaty ianao ka tsy mafana na mangatsiaka, dia efa haloan’ ny vavako ianao;Select Revelation 3:16
17fa hoy ianao: Manan-karena sy efa nihary fananana be aho ka tsy manan-java-mahory; kanjo tsy fantatrao fa ianao no ilay ory sy mahantra sy malahelo sy jamba ary mitanjaka;Select Revelation 3:17
18dia manoro hevitra anao Aho hividy amiko volamena voadio tamin’ ny afo, mba hanan-karena ianao, ary fitafiana fotsy hotafinao, mba tsy hisehoan’ ny henatrao noho ny fitanjahana, ary odi-maso hahosotrao ny masonao mba hahiratanao.Select Revelation 3:18
19Izay rehetra tiako no anariko sy faizako; koa dia mazotoa ianao, ka mibebaha.Select Revelation 3:19
20Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandondòna; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy amiko.Select Revelation 3:20
21Izay maharesy dia havelako hiara-mipetraka amiko eo ambonin’ ny seza fiandrianako, dia tahaka ny nandreseko kosa sy ny niarahako nipetraka amin’ ny Raiko eo ambonin’ ny seza fiandrianany.Select Revelation 3:21
22Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ ny Fanahy amin’ ny fiangonana.Select Revelation 3:22
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation