Revelation 7
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Rehefa afaka izany, dia hitako fa, indreo, nisy anjely efatra nitsangana teo amin’ ny vazan-tany efatra, nihazona ny rivotra efatra amin’ ny tany, mba tsy nisy rivotra hitsoka amin’ ny tany, na amin’ ny ranomasina, na amin’ ny hazo akory aza.Select Revelation 7:1
2Ary hitako fa, indro, nisy anjely hafa koa niakatra avy tany amin’ ny fiposahan’ ny masoandro, nanana ny fanombohan-kasen’ Andriamanitra velona; ary iry niantso ny anjely efatra izay navela hanimba ny tany sy ny ranomasina tamin’ ny feo mahery nanao hoe:Select Revelation 7:2
3Aza manimba ny tany, na ny ranomasina, na ny hazo, mandra-panisinay tombo-kase eo anin’ ny handrin’ ny mpanompon’ Andriamanitsika.Select Revelation 7:3
4Ary nahare ny isan’ izay voaisy tombo-kase aho: efatra arivo amby efatra alina amby iray hetsy no voaisy tombo-kase avy tamin’ ny firenen’ ny Zanak’ isiraely rehetra.Select Revelation 7:4
5Avy tamin’ ny firenen’ i Joda roa arivo amby iray alina no voaisy tombo-kase. Avy tamin’ ny firenen’ i Robena roa arivo amby iray alina. Avy tamin’ ny firenen’ i Gada roa arivo amby iray alina.Select Revelation 7:5
6Avy tamin’ ny firenen’ i Asera roa arivo amby iray alina. Avy tamin’ ny firenen’ i Naftaly roa arivo amby iray alina. Avy tamin’ ny firenen’ i Manase roa arivo amby iray alina.Select Revelation 7:6
7Avy tamin’ ny firenen’ i Simeona roa arivo amby iray alina. Avy tamin’ ny firenen’ i Levy roa arivo amby iray alina. Avy tamin’ ny firenen’ Isakara roa arivo amby iray alina.Select Revelation 7:7
8Avy tamin’ ny firenen’ i Zebolona roa arivo amby iray alina. Avy tamin’ ny firenen’ i Josefa roa arivo amby iray alina. Avy tamin’ ny firenen’ i Benjamina roa arivo amby iray alina no voaisy tombo-kase.Select Revelation 7:8
9Rehefa afaka izany dia hitako fa, indreo, nisy olona betsaka tsy tambo isaina avy tamin’ ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny nitsangana teo anoloan’ ny seza fiandrianana sy teo anatrehan’ ny Zanak’ ondry, niakanjo akanjo fotsy lava sady nitana sampan-drofia teny an-tànany,Select Revelation 7:9
10dia niantso tamin’ ny feo mahery izy nanao hoe: Ny famonjena anie ho an’ Andriamanitsika, Izay mipetraka eo ambonin’ ny seza fiandrianana, sy ho an’ ny Zanak’ ondry.Select Revelation 7:10
11Ary ny anjely rehetra nitsangana manodidina ny seza fiandrianana mbamin’ ny loholona sy ny zava-manan’ aina efatra, dia niankohoka teo anoloan’ ny seza fiandrianana izy ka nivavaka tamin’ AndriamanitraSelect Revelation 7:11
12nanao hoe: Amena! Ny saotra sy ny voninahitra sy ny fahendrena sy ny fisaorana sy ny haja sy ny hery ary ny faherezana anie Ho an’ Andriamanitsika mandrakizay mandrakizay. Amena.Select Revelation 7:12
13Ary ny anankiray tamin’ ny loholona namaly ka nanao tamiko hoe: Iza moa ireo miakanjo akanjo fotsy lava? Ary avy taiza izy?Select Revelation 7:13
14Fa hoy iraho taminy: Tompoko, ianao no mahalala. Dia hoy iry tamiko: Ireo no avy tamin’ ny fahoriana lehibe, ary ny akanjony nosasany sy nofotsiany tamin’ ny ran’ ny Zanak’ ondry.Select Revelation 7:14
15Ary noho izany ny akanjony nosasany sy mitoetra eo anoloan’ ny seza fiandrianan’ Andriamanitra izy ka manompo Azy andro aman’ alina eo amin’ ny tempoliny; ary Ilay mipetraka eo ambonin’ ny seza fiandrianana dia hamelatra ny trano-lainy handrakotra ary.Select Revelation 7:15
16Tsy ho noana na hangetaheta intsony ireo; ary tsy haninona azy ny masoandro na izay hafanana akory.Select Revelation 7:16
17Fa ny Zanak’ ondry Izay eo afovoan’ ny seza fiandrianana no ho Mpiandry azy ka hitondra azy ho amin’ ny loharanon’ ny ranon’ aina; ary hofafan’ Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ ny masony.Select Revelation 7:17
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation