Skip to content
Church.wiki
Romans

Romans 8

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

1Ary amin’ izany dia tsy misy fanamelohana ho an’ izay ao amin’ i Kristy Jesosy.Select Romans 8:1

2Fa ao amin’ i Kristy Jesosy ny lalàn’ ny Fanahin’ aina no nahafaka ahy tamin’ ny lalàn’ ny fahotana sy ny fahafatesana.Select Romans 8:2

3Fa izay tsy hain’ ny lalàna, satria ny nofo no nahalemy azy, dia vitan’ Andriamanitra tamin’ izy naniraka ny Zanany, naka ny endriky ny nofo ota sy ny amin’ ny ota, ka nanameloka ny ota tao amin’ ny nofo,Select Romans 8:3

4mba hahatanteraka ny fahamarinana ilain’ ny lalàna amintsika, izay tsy mandeha araka ny nofo, fa araka ny Fanahy.Select Romans 8:4

5Fa izay araka ny nofo dia mihevitra izay zavatry ny nofo; fa izay araka ny Fanahy kosa mihevitra izay zavatry ny Fanahy.Select Romans 8:5

6Fa ny fihevitry ny nofo dia fahafatesana; fa ny fihevitry ny Fanahy kosa fiainana, sy fiadananaSelect Romans 8:6

7satria fandrafiana an’ Andriamanitra ny fihevitry ny nofo; fa tsy manaiky ny lalàn’ Andriamanitra, sady tsy hainy akory izany.Select Romans 8:7

8Ary izay ao amin’ ny nofo dia tsy mahay manao ny sitrapon’ Andriamanitra.Select Romans 8:8

9Fa ianareo tsy ao amin’ ny nofo, fa ao amin’ ny Fanahy, raha ny Fanahin’ Andriamanitra no mitoetra ao anatinareo. Fa raha misy kosa tsy manana ny Fanahin’ i Kristy, dia tsy Azy izy.Select Romans 8:9

10Fa raha Kristy no mitoetra ao anatinareo, na dia maty ihany aza ny tena noho ny ota, dia fiainana kosa ny fanahy noho ny fanamarinana.Select Romans 8:10

11Ary raha ny Fanahin’ izay nanangana an’ i Jesosy tamin’ ny maty no mitoetra ao anatinareo, dia Izay nanangana an’ i Kristy Jesosy tamin’ ny maty no hamelona ny tenanareo mety maty amin’ ny Fanahiny, Izay mitoetra ao anatinareo.Select Romans 8:11

12Ary amin’ izany, ry rahalahy, dia mpitrosa isika ― tsy amin’ ny nofo anefa, ka ho velona araka ny nofo.Select Romans 8:12

13Fa raha velona araka ny nofo ianareo, dia tsy maintsy maty; fa raha ny Fanahy no amonoanareo ny asan’ ny tena dia ho velona ianareo.Select Romans 8:13

14Fa izay tarihin’ ny Fanahin’ Andriamanitra no zanak’ Andriamanitra.Select Romans 8:14

15Fa tsy nandray ny fanahim-pahandevozana ho amin’ ny tahotra indray ianareo, fa nandray ny fanahin’ ny zanaka natsangana, izay iantsoantsika hoe: Aba, Ray ô.Select Romans 8:15

16Ny Fanahy dia miara-milaza amin’ ny fanahintsika fa zanak’ Andriamanitra isika.Select Romans 8:16

17Ary raha zanaka, dia mpandova; eny, sady mpandova an’ Andriamanitra no mpiray lova amin’ i Kristy koa, raha miara-miaritra aminy isika mba hiara-manam-boninahitra aminy koa.Select Romans 8:17

18Fa ataoko fa ny fahoriana amin’ izao andro ankehitriny izao dia tsy tokony hoharina amin’ ny voninahitra izay haseho amintsika.Select Romans 8:18

19Fa izao zavatra ary rehetra izao dia samy maniry fatratra ka miandry ny fampisehoana ireo zanak’ Andriamanitra;Select Romans 8:19

20fa izao zavatra ary rehetra izao dia nampanekena ho zava-poana, nefa tsy noho ny sitrapony, fa noho Izay nampanaiky azy,Select Romans 8:20

21sady nahazo fanantenana koa fa izao zavatra ary rehetra izao aza dia hovotsorana amin’ ny fahandevozana, dia ny fahalòvana, ho amin’ ny fahafahana izay momba ny voninahitr’ ireo zanak’ Andriamanitra.Select Romans 8:21

22Fa fantatsika fa izao zavatra ary rehetra izao dia miara-misento sy miara-marary toy izay efa hiteraka mandraka ankehitriny;Select Romans 8:22

23ary tsy izany ihany, fa isika koa, na dia manana ny voaloham-bokatry ny Fanahy aza, isika aza dia misento ato anatintsika, miandry ny fananganan’ anaka, dia ny fanavotana ny tenantsika.Select Romans 8:23

24Fa ny fanantenana no namonjena antsika; nefa ny fanantenana hita dia tsy mba fanantenana intsony; fa ahoana no mbola anantenan’ ny olona izay efa hitany?Select Romans 8:24

25Fa raha isika manantena izay tsy mbola hitantsika, dia miandry amin’ ny faharetana.Select Romans 8:25

26Ary toy izany koa, ny Fanahy no mamonjy ny fahalementsika: fa tsy fantatsika izay vavaka tokony hataontsika; fa ny Fanahy no mifona amin’ ny fitarainana tsy azo tononina.Select Romans 8:26

27Ary Izay mandinika ny fo no mahalala izay hevitry ny Fanahy, satria araka an’ Andriamanitra ny fifonany ho an’ ny olona masìna.Select Romans 8:27

28Ary fantatsika fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an’ Andriamanitra, dia izay voantso araka ny fikasany rahateo.Select Romans 8:28

29satria izay fantany rahateo no notendreny koa hitovy endrika amin’ ny Zanany, mba ho Lahimatoa amin’ ny rahalahy maro Izy.Select Romans 8:29

30Ary izay notendreny no nantsoiny koa; ary izay nantsoiny no nohamarininy koa; ary izay nohamarininy no nomeny voninahitra koa.Select Romans 8:30

31Inona ary no holazaintsika ny amin’ izany zavatra izany? Raha Andriamanitra momba antsika, iza no hahatohitra antsika?Select Romans 8:31

32Izay tsy niaro ny Zanani-lahy, fa natolony hamonjy antsika rehetra Izy, tsy homeny antsika miaraka aminy maimaimpoana koa va ny zavatra rehetra?Select Romans 8:32

33Iza no hiampanga ny olom-boafidin’ Andriamanitra? Andriamanitra no manamarina azy.Select Romans 8:33

34Iza no manameloka? Kristy Jesosy no efa maty, eny, sady nitsangana tamin’ ny maty koa ka mitoetra eo amin’ ny tanana ankavanan’ Andriamanitra ary mifona ho antsika.Select Romans 8:34

35Iza no hahasaraka antsika amin’ ny fitiavan’ i Kristy? Fahoriana va, sa fahantrana, sa fanenjehana, sa mosary, sa fitanjahana, sa loza, sa sabatra?Select Romans 8:35

36Araka ny voasoratra hoe: Fa noho ny aminao no namonoana anay mandrakariva; Toy ny ondry hovonoina no fijery anay.Select Romans 8:36

37Kanefa amin’ izany rehetra izany dia manoatra noho ny mpandresy isika amin’ ny alalan’ ilay tia antsika.Select Romans 8:37

38Fa matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fanapahana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery,Select Romans 8:38

39na ny ambony, na ny ambany, na inona na inona amin’ izao zavatra ary rehetra izao, dia tsy hahasaraka antsika amin’ ny fitiavan’ Andriamanitra izay ao amin’ i Kristy Jesosy Tompontsika.Select Romans 8:39

Next: Romans 9Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Romans

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses an English voice provided by your browser.