Skip to content
Church.wiki
Ruth

Ruth 3

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

1Dia hoy Naomy rafozani-vavy taminy: Tsy hitady izay tokan-trano hahitanao fiadanana va aho, anaka, mba hahasoa anao?Select Ruth 3:1

2Ary ankehitriny tsy isan’ ny havantsika va Boaza, tompon’ ny ankizivavy izay niarahanao? Indro, mikororoka vary hordea eo am-pamoloana izy anio alina.Select Ruth 3:2

3Koa mandroa sy mihosora diloilo ary miakanjoa, dia midìna any am-pamoloana; nefa aza atao fanta-dralehilahy akory ianao, raha tsy efa avy nihinana sy nisotro izy.Select Ruth 3:3

4Ary rehefa mandry izy, dia fantaro izay andriany, ary midìra, ka songay ny lamba eo an-tongony, dia mandria eo ianao; ary holazainy aminao izay hataonao.Select Ruth 3:4

5Dia hoy izy taminy: Eny, fa hataoko izay rehetra lazainao amiko.Select Ruth 3:5

6Dia nidina tany am-pamoloana izy ka nanao araka izay rehetra nandidian’ ny rafozani-vavy azy.Select Ruth 3:6

7Ary rehefa avy nihinana sy nisotro Boaza, ka faly ny fony, dia nandeha handry teo amin’ ny faran’ ny antontam-bary izy; fa nandeha nitsaitsaika kosa Rota, dia nanonga ny lamba teo an-tongony ka nandry teo.Select Ruth 3:7

8Ary nony namatonalina, dia taitra ralehilahy ka niarina hitsapa, ary, indro, nisy vehivavy nandry teo an-tongony.Select Ruth 3:8

9Dia hoy izy: Iza moa izato? Ary hoy kosa ravehivavy: Rota zatovovavinao aho; mba rakofy ny lambanao ny zatovovavinao, fa havana mahavotra ianao.Select Ruth 3:9

10Dia hoy izy: Hotahin’ i Jehovah anie ianao, anaka; efa nanao soa be lavitra tamin’ ny ato aoriana ianao noho ny tamin’ ny voalohany, noho ny tsy nanarahanao ny zatovo, na ny malahelo, na ny manan-karena.Select Ruth 3:10

11Koa ankehitriny anaka, aza matahotra; hataoko aminao izay rehetra angatahinao; fa fantatr’ izay rehetra ao an-tanànan’ ny fireneko fa vehivavy tsara ianao.Select Ruth 3:11

12Ary ankehitriny marina izany, fa havana mahavotra aho; nefa misy havana mahavotra akaiky kokoa noho izaho.Select Ruth 3:12

13Mitoera ihany atỳ anio alina, ary rehefa maraina, raha hitondra loloha anao izy, dia tsara izany, aoka izy no hitondra loloha anao; fa raha tàhiny kosa tsy hanao izany izy, dia ho entiko loloha ihany ianao, raha velona koa Jehovah, mitoera ihany atỳ mandra-pahamarain’ ny andro.Select Ruth 3:13

14Dia nandry teo an-tongony mandra-pahamarain’ ny andro Rota, ary nifoha, raha mbola maizimaizina, ilay mbola tsy ahitana tarehy iny. Fa hoy ralehilahy: Aza avela ho fantatr’ olona fa tatỳ am-pamoloana ravehivavy.Select Ruth 3:14

15Dia hoy koa izy: Ento etỳ ny lamba itafianao, ka hazòny izy. Ary rehefa nataony izany, dia namatra vary hordea inenin’ ny famarana Boaza, ka nampitondrainy azy izany. Dia lasa nankany an-tanàna Boaza.Select Ruth 3:15

16Ary rehefa tonga tany amin’ ny rafozani-vavy Rota, dia hoy Naomy: Nanao ahoana izay tany, anaka? Dia nambarany azy izay rehetra nataon-dralehilahy taminy.Select Ruth 3:16

17Ary hoy koa izy: Ireto vary hordea inenin’ ny famarana ireto dia nomeny ahy; fa hoy izy tamiko: Aza mandeha tsy mitondra zavatra ho any amin’ ny rafozanao-vavy.Select Ruth 3:17

18Dia hoy izy: Mitoera ihany, anaka, mandra-pahafantatrao izay hiantefan’ ny raharaha; fa tsy hijanona ralehilahy, fa hovitainy anio ihany ny raharaha.Select Ruth 3:18

Next: Ruth 4Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Ruth

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses an English voice provided by your browser.