Ruth 4
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Ary rehefa tafakatra teo am-bavahady Boaza ka nipetraka teo, dia, indro, nandalo ilay havana mahavotra voalazany, dia hoy Boaza: Ranona iry ô! maitia kely ange; mipetraha eto. Dia nanatona izy ka nipetraka.Select Ruth 4:1
2Dia naka folo lahy tamin’ ny loholona tao an-tanàna Boaza ka nanao hoe: Mipetraha eto ianareo. Dia nipetraka ireo.Select Ruth 4:2
3Dia niteny tamin’ Ilay havana akaiky izy ka nanao hoe: Naomy, izay niverina avy tany amin’ ny tany Moaba, dia mivarotra ny tany izay an’ i Elimeleka rahalahintsika.Select Ruth 4:3
4Ary izaho nikasa hampandre anao hoe: Vidio eto anatrehan’ izay mipetraka eto sy eto anatrehan’ ny loholona amin’ ny fireneko izany. Raha hanavotra ianao, dia avoty; fa raha tàhiny tsy hanavotra ianao, dia lazao amiko mba ho fantatro; fa tsy misy tokony hanavotra afa-tsy ianao, ary izaho no manarakaraka anao. Ary hoy izy: Hanavotra ihany aho.Select Ruth 4:4
5Dia hoy Boaza: Amin’ izay andro ividiananao ny tany amin’ ny tànan’ i Naomy, dia amin’ i Rota koa, vehivavy Moabita, vadin’ ny maty, no hividiananao azy, mba hamelo-maso ny anaran’ ny maty ao amin’ ny lovany ianao.Select Ruth 4:5
6Fa hoy ilay havana mahavotra: Tsia, tsy mahazo manavotra ho an’ ny tenako aho, fandrao mahasimba ny lovako; avoty ihany ho anao ny ahy, fa tsy mahavotra aho.Select Ruth 4:6
7Ary ny amin’ ny fanavotana sy ny fanakalozana teo amin’ ny Isiraely fahiny hahamafy ny teny rehetra dia izao: nesorin’ ny lehilahy ny kirarony ka nomeny ho an’ ny namany; dia vavolombelona teo amin’ ny Isiraely izany.Select Ruth 4:7
8Ary hoy ilay havana mahavotra tamin’ i Boaza: Vidio ho anao izany. Dia nanaisotra ny kirarony izy.Select Ruth 4:8
9Ary hoy Boaza tamin’ ny loholona sy ny vahoaka rehetra: Hianareo no vavolombelona androany fa efa novidiko tamin’ ny tànan’ i Naomy izay rehetra an’ i Elimeleka sy izay rehetra an’ i Kiliona sy Malona.Select Ruth 4:9
10Ary Rota koa, vehivavy Moabita, vadin’ i Malona, dia lasako ho vadiko hamelo-maso ny anaran’ ny maty ao amin’ ny lovany, mba tsy ho faty maso ny anaran’ ny maty eo amin’ ny rahalahiny sy eo amin’ ny vavahadin’ ny fonenany; ianareo no vavolombelona androany.Select Ruth 4:10
11Dia hoy ny vahoaka rehetra izay teo amin’ ny vavahady sy ny loholona: Eny, vavolombelona izahay; hataon’ i Jehovah tahaka an’ i Rahely sy tahaka an’ i Lea anie izay vehivavy efa ho tonga ao an-tranonao; fa izy roa vavy no nanangana ny tranon’ ny Isiraely; ary aoka ho lehibe any Efrata anie ianao, ary halaza any Betlehema anie ny anaranao;Select Ruth 4:11
12ary ho tahaka ny taranak’ i Fareza, izay naterak’ i Tamara tamin’ i Joda, anie ny taranakao avy amin’ ny zanaka izay homen’ i Jehovah anao amin’ ity vehivavy ity.Select Ruth 4:12
13Ary Boaza dia nampakatra an’ i Rota ka nanambady azy; ary Jehovah nampanan’ anaka azy, ka niteraka zazalahy izy.Select Ruth 4:13
14Ary hoy ireo vehivavy tamin’ i Naomy: Isaorana anie Jehovah, Izay tsy namela anao androany tsy hanan-kavana mahavotra, ary aoka halaza ny anarany eo amin’ ny Isiraely.Select Ruth 4:14
15Dia hamelona ny ainao sy hitaiza anao izy, rehefa antitra ianao; fa niteraka azy ny vinantonaovavy, izay tia anao, ilay tsara lavitra aminao mihoatra noho ny zanaka fito lahy.Select Ruth 4:15
16Dia nandray ny zaza Naomy ka nitrotro azy, dia tonga mpitaiza azy.Select Ruth 4:16
17Ary ny vehivavy namany nifidy ny anarany ka nanao hoe: Misy zazalahy teraka ho an’ i Naomy; ary ny anarany nataony hoe Obeda; izy no rain’ i Jese, rain’ i Davida.Select Ruth 4:17
18Ary izao no taranak’ i Fareza: Fareza niteraka an’ i Hezrona;Select Ruth 4:18
19ary Hezrona niteraka an’ i Rama; ary Rama niteraka an’ i Aminadaba;Select Ruth 4:19
20ary Aminadaba niteraka an’ i Nasona; ary Nasona niteraka an’ i Salmona;Select Ruth 4:20
21ary Salmona niteraka an’ i Boaza; ary Boaza niteraka an’ i Obeda;Select Ruth 4:21
22ary Obeda niteraka an’ i Jese; ary Jese niteraka an’ i Davida.Select Ruth 4:22
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain