Skip to content
Church.wiki
Song of Songs

Song of Songs 7

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Miverena, miverena, ry Solemita; Miverena, miverena, mba hijerenay anao. Inona no hitanareo amin’ ny Solemita? Dihy tahaka ny an’ i Mahanaima.Select Song of Songs 7:1

2Endrey! mahate-hijery ny famindran’ ny tongotrao mikiraro, ry zazavavy zanak’ andriana! Dia tahaka ny firavaka ny amboam-penao, nataon’ ny tanan’ ny mahay zavatra.Select Song of Songs 7:2

3Ny foitrao dia tahaka ny tomaboha kivorivory; Tsy ho diso divay noharoharoan-java-manitra anie izy! Ny kibonao dia tahaka ny vary tritika voatoby sady voaravaka lilia manodidina.Select Song of Songs 7:3

4Ny nononao roa dia tahaka ny gazela kambana mbola tanora.Select Song of Songs 7:4

5Ny vozonao dia tahaka ny tilikambo ivory; Ny masonao dia tahaka ny kamory any Hesbona, dia eo am-bavahadin’ ny tanàna be olona; Ny oronao dia tahaka ny tilikambo any Libanona, izay manandrify an’ i Damaskosy.Select Song of Songs 7:5

6Ny lohanao dia tahaka an’ i Karmela, ary ny volon-dohanao milantolanto dia somary volomparasy. Voatanan’ ny volo olioly ny mpanjaka!Select Song of Songs 7:6

7Endrey! tsara tarehy sady mahafinaritra ianao, ry malala, amin’ izao zava-mahafinaritra rehetra izao!Select Song of Songs 7:7

8Izato tsangananao dia tahaka ny rofia, Ary ny nononao dia tahaka ny sampahony.Select Song of Songs 7:8

9Hoy izaho: Hananika ny rofia aho ka handray ny rantsany; Ary aoka ny nononao ho toy ny sampahom-boaloboka amiko, ary ny fofonainao ho tahaka ny an’ ny poma,Select Song of Songs 7:9

10Ny vavanao dia toy ny divay tsara, eny, divay mikorotsaka mora eo an-tendan’ ny malalako sady miditra misononoka amin’ ny molotry ny matory.Select Song of Songs 7:10

11An’ ny malalako aho, sady manina ahy izy.Select Song of Songs 7:11

12Avia, ry malalako, aoka handeha ho any an-tsaha isika; Andeha handry any ambanivohitra isika.Select Song of Songs 7:12

13Dia aoka hifoha maraina koa ho any an-tanim-boaloboka isika; Aoka hizahantsika raha mitsimoka ny voaloboka, sy mivelatra ny voniny, ary mamony ny ampongabendanitra any no hanehoako ny fitiavako anao.Select Song of Songs 7:13

14Mamerovero tsara ny dodaima, sady ao am-bavahadintsika misy voankazo tsara samy hafa, na ny vao na ny ela: Efa notehiriziko ho anao izany, ry malalako.Select Song of Songs 7:14

Next: Song of Songs 8Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Song of Songs

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.