Skip to content
Church.wiki
Titus

Titus 3

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

1Mampahatsiarova azy hanaiky izay manapaka sy manam-pahefana, hanoa tsara, ho vonona ho amin’ ny asa tsara rehetra,Select Titus 3:1

2tsy hiteny ratsy olona, tsy ho mpila ady, fa ho mpandefitra, maneho ny halemem-panahy rehetra amin’ ny olona rehetra.Select Titus 3:2

3Fa isika koa dia adala fahiny, tsy nanaiky, voafitaka, dia andevon’ ny filàna sy ny fahafinaretana maro, ary velona teo amin’ ny lolompo sy ny fialonana, sady hala no nifankahala.Select Titus 3:3

4Fa rehefa niseho ny fahamoram-panahin’ Andriamanitra, Mpamonjy antsika, sy ny fitiavany ny olona,Select Titus 3:4

5dia tsy avy tamin’ ny asa amin’ ny fahamarinana izay nataontsika, fa araka ny famindram-po kosa no namonjeny antsika, tamin’ ny fanasan’ ny fiterahana indray sy ny fanavaozan’ ny Fanahy Masìna,Select Titus 3:5

6Izay naidiny betsaka tamintsika tamin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy, Mpamonjy antsika,Select Titus 3:6

7mba hohamarinina amin’ ny fahasoavany isika ka ho tonga mpandova araka ny fanantenana ny fiainana mandrakizay.Select Titus 3:7

8Mahatoky izany teny izany, ary izany zavatra izany dia tiako hitompoanao mafy, mba hotandreman’ izay efa mino an’ Andriamanitra ny hanao asa tsara. Sady tsara no mahasoa ny olona izany zavatra izany.Select Titus 3:8

9Fa halaviro ny fanontaniana adala sy ny tantaram-pirazanana sy ny fifandirana sy ny ady teny ny amin’ ny lalàna; fa tsy mahasoa sady zava-poana izany.Select Titus 3:9

10Izay mpanao hevi-diso, rehefa nanarinao indray maka na indroa, dia ialao,Select Titus 3:10

11satria fantatrao fa voavadika izay manao izany ka sady manota no manamelo-tena koa.Select Titus 3:11

12Rehefa maniraka an’ i Artema ny Tykiko ho atỳ aminao aho, dia mazotoa hankany amiko any Nikopolia ianao, fa mikasa handany ny ririnina any aho.Select Titus 3:12

13Mazotoa hamoaka an’ i Zena mpahay lalàna sy Apolosy, mba tsy hisy zavatra hilainy.Select Titus 3:13

14Ary aoka ny antsika koa hianatra hanao asa tsara hahazoany izay ilainy, fandrao tsy hisy vokatra izy.Select Titus 3:14

15Manao veloma anao izay rehetra atỳ amiko. Manaova veloma izay rehetra tia anay amin’ ny finoana. Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavana.Select Titus 3:15

Next: Philemon 1Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Titus

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses an English voice provided by your browser.