Zechariah 10
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Mangataha ranonorana amin’ i Jehovah ianareo amin’ ny andro fara-orana, Dia amin’ i Jehovah, Izay manao ny helatra; Ranonorana mivatravatra no homeny azy, Eny, samy homeny ny zava-maitso any an-tsaha ireny.Select Zechariah 10:1
2Fa ny sampy niteny zava-poana, Ary ny mpanao fankatovana nahita lainga Ka nilaza nofy lainga, Foana ny nampiononany; Koa izany no naniavany toy ny ondry Ory izy, satria tsy misy mpiandry.Select Zechariah 10:2
3Amin’ ny mpiandry ondry no irehetan’ ny fahatezerako, Ary ireo osilahy no hovaliako; Fa Jehovah, Tompon’ ny maro, efa namangy ny taranak’ i Joda ondriny Ka manao azy toy ny soavaliny miravaka eo amin’ ny ady.Select Zechariah 10:3
4Avy ao aminy no hihavian’ ny fehizoro, Avy ao aminy no hihavian’ ny fihantonan-javatra, Avy ao aminy no hihavian’ ny tsipìka fiadiana, Avy ao aminy no hihavian’ ny mpampahory rehetra.Select Zechariah 10:4
5Ary ho toy ny lehilahy mahery ireo, Izay manitsaka ny fotaka eny an-dalana amin’ ny ady, Hiady izy, satria Jehovah no momba azy; Ary homenarina ny mpitaingin-tsoavaly.Select Zechariah 10:5
6Hampahery ny taranak’ i Joda Aho, Ary ny taranak’ i Josefa hovonjeko ka hampodiko, Satria mamindra fo aminy Aho, Ka ho toy izay tsy nariako izy; Fa Izaho no Jehovah Andriamaniny ka hihaino azy.Select Zechariah 10:6
7Ho toy ny lehilahy mahery Efraima, Ary hifaly toy ny azon’ ny divay ny fony; Ny zanany hahita ka ho faly; Hifaly amin’ i Jehovah ny fony.Select Zechariah 10:7
8Hisiaka hiantso azy Aho ka hanangona azy, Fa efa nanavotra azy Aho; Ka dia mbola hihamaro toy ny efa nihamaroany ihany izy.Select Zechariah 10:8
9Ary hafafiko any amin’ ny firenena izy, Ka any amin’ ny tany lavitra no hahatsiarovany Ahy; Ary samy ho velona izy mbamin’ ny zanany ka hiverinaSelect Zechariah 10:9
10Dia hampody azy avy any amin’ ny tany Egypta Aho sy hanangona azy avy any Asyria; Ary ho any amin’ ny tany Gileada sy Libanona no hitondrako azy, Ka tsy ho omby azy izanySelect Zechariah 10:10
11Dia hamaky ny ranomasim-pahoriana izy ka hamely ny onjan-dranomasina, Ho ritra ny rano lalin’ i Neily rehetra, Haetry ny avonavon’ i Asyria, Ary hiala ny tehina fanapahan’ i Egypta.Select Zechariah 10:11
12Dia hampahereziko ao amin’ i Jehovah izy, Ka ny anarany no handehanany, hoy Jehovah.Select Zechariah 10:12
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation