Zechariah 3
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Ary dia nasehony ahy fa, indro, Josoa mpisoronabe nitsangana teo anatrehan’ Ilay Anjelin’ i Jehovah, ary Satana nitsangana teo an-kavanany hiampanga azy.Select Zechariah 3:1
2Ary hoy Jehovah tamin’ i Satana: Hananatra anao anie Jehovah, ry Satana; eny, Jehovah Izay nifidy an’ i Jerosalema anie hananatra anao; tsy forohana nosarihana tamin’ ny afo va ity?Select Zechariah 3:2
3Ary Josoa nitafy fitafiana maloto ary nitsangana teo anoloan’ Ilay Anjely.Select Zechariah 3:3
4Dia namaly Jehovah ka nilaza tamin’ izay nitsangana teo anoloany hoe: Esory aminy ny fitafiana maloto. Ary hoy koa Izy taminy: Indro, efa nesoriko ny helokao, ary hampiakanjoiko akanjo fihaingoana ianao.Select Zechariah 3:4
5Dia hoy izaho: Aoka hasiany hamama madio eo an-dohany. Ka dia nasiany hamama madio teo an-dohany, sady nampitafiny izy; ary Ilay Anjelin’ i Jehovah dia nitsangana teo.Select Zechariah 3:5
6Ary Ilay Anjelin’ i Jehovah nilaza marimarina tamin’ i Josoa hoe:Select Zechariah 3:6
7Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Raha mizotra amin’ ny lalako ianao sy mitandrina ny didiko, dia ianao no hitsara ny amin’ ny tranoko sy hitandrina ny kianjako, sady homeko lalana ho amin’ ireo mitsangana ireo ianao.Select Zechariah 3:7
8Koa mihainoa, ry Josoa mpisoronabe, dia ianao sy ny namanao izay mipetraka eo anoloanao; fa olona atao fahagagana ireo; fa, indro, ho entiko Rantsana Mpanompoko.Select Zechariah 3:8
9Fa, indro, ny vato izay napetrako teo anoloan’ i Josoa, ny vato iray dia banjinin’ ny maso fito; indro, hosoratako ny sorany, hoy Jehovah Tompon’ ny maro, ary hesoriko indray andro monja ny helok’ ity tany ity.Select Zechariah 3:9
10Amin’ izany andro izany, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, dia samy hiantso ny namanareo avy ho eo ambanin’ ny voaloboka sy ho eo ambanin’ ny aviavy ianareo.Select Zechariah 3:10
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation