Skip to content
Church.wiki
Zechariah

Zechariah 8

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Ary tonga ny tenin’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, nanao hoe:Select Zechariah 8:1

2Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Saro-piaro dia saro-piaro an’ i Ziona Aho, eny, saro-piaro azy amin’ ny fahatezerana mafy Aho.Select Zechariah 8:2

3Izao no lazain’ i Jehovah: Efa tafaverina ho eto Ziona Aho ka honina eto afovoan’ i Jerosalema; ary Jerosalema dia hatao hoe Tanànan’ ny fahamarinana, ary ny tendrombohitr’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, dia hatao hoe Tendrombohitra masìna.Select Zechariah 8:3

4Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Mbola hisy lahy antitra sy vavy antitra hipetraka eny an-dalamben’ i Jerosalema, samy hitehina amin’ ny tehina eny an-tànany isan-olona noho ny fahanterany;Select Zechariah 8:4

5ary eny an-dalambe any an-tanàna dia ho feno ankizilahy madinika sy ankizivavy madinika milalao eny an-dalambe.Select Zechariah 8:5

6Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Raha mahagaga izany eo imason’ ny sisa amin’ ity firenena ity amin’ izany andro izany, moa hahagaga eo imasoko koa va? hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.Select Zechariah 8:6

7Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Indro, hamonjy ny oloko avy any amin’ ny tany atsinanana sy amin’ ny tany andrefana Aho;Select Zechariah 8:7

8ary hitondra azy Aho, ka honina any Jerosalema izy; dia ho oloko izy, ary Izaho kosa ho Andriamaniny amin’ ny fahamarinana sy ny fahitsiana.Select Zechariah 8:8

9Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Aoka hatanjaka ny tananareo izay mandre izany teny izany amin’ izao andro izao avy amin’ ny vavan’ ny mpaminany, izay teo tamin’ ny andro nanaovana ny fanorenan’ ny tranon’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, dia ny nanaovana ny tempoly.Select Zechariah 8:9

10Fa talohan’ izany andro izany dia tsy nisy valim-pahasasarana ho an’ ny olona, na valim-pahasasarana ho an’ ny biby fiompy; ary tsy nisy fiadanana ho an’ izay nivoaka sy izay niditra noho ny fahavalo, fa nalefako samy hifamely amin’ ny namany avy ny olona rehetra.Select Zechariah 8:10

11Fa amin’ izay kosa dia tsy ho toy ny tamin’ ny fahiny intsony amin’ ny sisa amin’ ity firenena ity Aho, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.Select Zechariah 8:11

12Fa hisy vokatry ny fiadanana, ny voaloboka hamoa, ary ny tany hahavokatra, ary ny lanitra hampilatsaka ny andony, ary ny sisa amin’ ity firenena ity no hampandovaiko izany rehetra izany.Select Zechariah 8:12

13Ary toy ny nahatongavanareo ho fanozonana tany amin’ ny firenena, ry taranak’ i Joda sy ry taranak’ Isiraely, dia ho toy izany no hamonjeko anareo, ka dia ho tonga fitsofan-drano kosa ianareo; aza matahotra, fa aoka hatanjaka ny tananareo.Select Zechariah 8:13

14Fa izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Toy ny nisainako hahatonga loza aminareo tamin’ ny nampahatezeran’ ny razanareo Ahy, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, ka tsy nanenina Aho,Select Zechariah 8:14

15dia ho toy izany kosa no hisainako hanisy soa an’ i Jerosalema sy ny taranak’ i Joda amin’ izao andro izao: aza matahotra ianareo.Select Zechariah 8:15

16Izao no zavatra hataonareo: Samia miteny marina amin’ ny namany avy ianareo; mitsarà marina, eny, mitsarà hahatonga fiadanana ao am-bavahadinareo;Select Zechariah 8:16

17ary aza misy mieritreritra ao am-ponareo hanisy ratsy ny namanareo ianareo, ary aza tia fianianan-tsy tò; fa izany rehetra izany dia halako, hoy Jehovah.Select Zechariah 8:17

18Ary ny tenin’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, dia tonga tamiko nanao hoe:Select Zechariah 8:18

19Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Ny fifadian-kanina amin’ ny volana fahefatra sy ny fifadian-kanina amin’ ny fahadimy sy ny fifadian-kanina amin’ ny fahafito ary ny fifadian-kanina amin’ ny fahafolo dia samy ho tonga fifaliana sy firavoravoana ary fotoana mahafinaritra avokoa ho an’ ny taranak’ i Joda; koa tiava ny fahamarinana sy ny fiadanana.Select Zechariah 8:19

20Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Mbola hisy firenena sy mponina avy amin’ ny tanàna maro ho avy;Select Zechariah 8:20

21ary ny mponina ao amin’ ny anankiray hankany amin’ ny anankiray kosa ka hanao hoe: Aoka handeha tokoa isika hifona amin’ i Jehovah sy hitady an’ i Jehovah, Tompon’ ny maro; izaho koa mba handeha.Select Zechariah 8:21

22Eny, ho avy ny olona maro sy ny firenena mahery mba hitady an’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, any Jerosalema sy hifona amin’ i Jehovah.Select Zechariah 8:22

23Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Amin’ izany andro izany dia hisy folo lahy avy amin’ ny firenena samy hafa fiteny rehetra hihazona ny sisin-damban’ ny Jiosy anankiray ka hanao hoe: Mba handeha hiaraka aminareo izahay; fa efa renay fa momba anareo Andriamanitra.Select Zechariah 8:23

Next: Zechariah 9Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Zechariah

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.