Skip to content
Church.wiki
Zechariah

Zechariah 9

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Teny faminaniana avy tamin’ i Jehovah ny amin’ ny loza hanjo ny tany Hadraka, Ary Damaskosy no hiharany ― Fa ny mason’ i Jehovah mandinika ny olombelona Mbamin’ ny firenena rehetra amin’ ny Isiraely ―Select Zechariah 9:1

2Sy Hamata koa, izay mifanolotra aminy, Ary Tyro sy Sidona koa, satria hendry izy.Select Zechariah 9:2

3Ary Tyro nanao manda mafy ho azy Ka nanangona volafotsy hoatra ny vovoka Sy volamena tsara hoatra ny fotaka eny an-dalambe.Select Zechariah 9:3

4Indro, hofoanan’ ny Tompo ny fananany, Sady hasiany koa ny heriny ao amin’ ny ranomasina; Ary ny tenany ho levon’ ny afo.Select Zechariah 9:4

5Askelona hahita izany ka ho raiki-tahotra, Gaza koa, ka ho toran-kovitra indrindra, Ary Ekrona, fa ho tonga henatra ny fanantenany; Tsy hisy mpanjaka intsony ao Gaza, Ary Askelona tsy honenana.Select Zechariah 9:5

6Zazasary no ho mpanjaka ao Asdoda, Ary hofoanako ny reharehan’ ny Filistina.Select Zechariah 9:6

7Hesoriko eny am-bavany ny ràny, Sy ny fahavetavetany tsy ho eny anelanelan’ ny nifiny; Ary izy koa ho sisa ho an’ Andriamanitsika Sy ho toy ny lohany amin’ ny firenen’ i Joda, Ary Ekrona ho toy ny Jebosita.Select Zechariah 9:7

8Ary hitoby Aho hiaro ny tranoko noho ny miaramila betsaka, Dia noho izay mandroso sy miverina; Ary tsy hisy mpampahory handeha hamaky eo aminy intsony, Fa ankehitriny dia efa hitan’ ny masoko.Select Zechariah 9:8

9Mifalia indrindra, ry Ziona zanakavavy; Manaova feo fifaliana, ry Jerosalema zanakavavy; Indro, ny Mpanjakanao avy ho anao; Marina Izy sady manam-pamonjena, Malemy fanahy sady mitaingina boriky Dia zana-boriky tanora.Select Zechariah 9:9

10Ary hofoanako tsy hisy kalesy intsony Efraima, Na soavaly any Jerosalema, Hofoanana koa ny tsipìka fiadiana, Ary hiteny fiadanana amin’ ny jentilisa Izy; Ny fanapahany dia hatramin’ ny ranomasina ka hatramin’ ny ranomasina Ary hatramin’ ny Ony ka hatramin’ ny faran’ ny tany.Select Zechariah 9:10

11Ny aminao koa, noho ny ran’ ny fanekena taminao No efa namoahako ny mpifatotrao avy tao an-davaka tsy misy rano.Select Zechariah 9:11

12Miverena ho amin’ ny fiarovana mafy, ianareo mpifatotra manana ny fanantenana! Anio no hanambarako hoe: Hanonitra roa heny ho anao Aho.Select Zechariah 9:12

13Fa nohenjaniko ho Ahy Joda, Efraima nataoko zana-tsipìka; Ary hotairiko ny zanakao, ry Ziona, hiady amin’ ny zanakao, ry Grisia, Ary hataoko toy ny sabatry ny lehilahy mahery ianao,Select Zechariah 9:13

14Ary Jehovah hiseho ao aminy, Ka handeha toy ny helatra ny zana-tsipìkany, Jehovah Tompo hitsoka anjomara Ka handeha amin’ ny tafio-drivotra any atsimo.Select Zechariah 9:14

15Ary Jehovah, Tompon’ ny maro, no hiaro ireny; Dia hihinana ireny ka hanitsakitsaka vaton’ antsamotady; Ary hisotro ireny ka hihorakoraka tahaka ny azon’ ny divay, Ary ho feno toy ny lovia famafazana ireny, dia toy ny zoron’ ny alitara.Select Zechariah 9:15

16Ary hovonjen’ i Jehovah Andriamaniny ireny amin’ izany andro izany Toy ny olona izay ondriny; Fa ho toy ny vaton-tsatro-boninahitra Mamirapiratra eny amin’ ny taniny ireny.Select Zechariah 9:16

17Fa akory ny hasoany! ary akory ny hatsaran-tarehiny! Vary no hampaharoroka ny zatovo, Ary ranom-boaloboka kosa ny zazavavy.Select Zechariah 9:17

Next: Zechariah 10Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Zechariah

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.