Zephaniah 3
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Lozan’ ny tanàna miodina sady voaloto, Dia ilay mampahory!Select Zephaniah 3:1
2Tsy nihaino ny feo izy, Na nino anatra; Jehovah tsy nitokiany, Andriamaniny tsy nohatoniny.Select Zephaniah 3:2
3Liona mierona ao aminy ireo lehibeny; Amboadia hariva ny mpitsarany Ka tsy mamela ho tra-maraina.Select Zephaniah 3:3
4Vavana sady mpamitaka ny mpaminaniny; Mandoto izay masìna ny mpisorony, Eny, mamadika ny lalàna izy.Select Zephaniah 3:4
5Jehovah no marina ao afovoany, Tsy manao izay tsy marina Izy; Isa-maraina isa-maraina no amoahany ny fitsarany ho amin’ ny mazava, ka tsy diso izany. Fa ny tsy marina tsy mba mahalala henatra.Select Zephaniah 3:5
6Efa nahafongana firenena Aho, Rava ny tilikambo eny amin’ ny zorony; Nosimbako ny lalany tsy hisy mpandeha; Rava ny tanànany, ka tsy misy olona, Eny, tsy misy mponina.Select Zephaniah 3:6
7Hoy Izaho: Hatahotra Ahy tokoa ianao ka hino anatra, Dia tsy ho rava ny fonenanao, Araka izay rehetra voatendriko hamelezana anao; Kanefa nifoha maraina koa izy ka nanao Izay ratsy rehetra.Select Zephaniah 3:7
8Koa miandrasa Ahy ianareo, hoy Jehovah, Ambara-pihavin’ ny andro hitsanganako haka babo; Fa izao no kasaiko hatao: Hamory firenena sy hanangona fanjakana Aho, Hanidinako ny fahatezerako amin’ ireo, dia ny firehetan’ ny fahatezerako rehetra, Ka ho levon’ ny afon’ ny fahasaro-piaroko ny tany rehetra.Select Zephaniah 3:8
9Fa amin’ izany dia hovako ho madio ny molotry ny firenena, Hiantsoan’ izy rehetra ny anaran’ i Jehovah, hanompoany Azy amin’ ny firaisan-kina.Select Zephaniah 3:9
10Avy any an-dafin’ ny onin’ i Etiopia no hitondrana ny mpivavaka amiko, Dia ny zanakavavin’ izay naeliko, ho fanatitra ho Ahy.Select Zephaniah 3:10
11Amin’ izany andro izany dia tsy ho menatra ianao tamin’ izay nataonao rehetra, Izay nanotanao tamiko; Ka dia hesoriko aminao ireo mibitaka amim-pireharehana, Ary tsy hiavonavona eo an-tendrombohitro masìna intsony ianao.Select Zephaniah 3:11
12Nefa hamelako olona ory sy malahelo ihany ao aminao, Ary ny anaran’ i Jehovah no hialofany,Select Zephaniah 3:12
13Ny sisa amin’ ny Isiraely dia tsy hanao meloka na handainga, Ary tsy hisy lela mamitaka eo am-bavany; Fa hihinana sy handry izy, ka tsy hisy hanaitaitra azy.Select Zephaniah 3:13
14Mihobia, ry Ziona zanakavavy; Manaova feo fifaliana, ry Isiraely; Mifalia sy miravoravoa amin’ ny fonao rehetra, ry Jerosalema zanakavavy.Select Zephaniah 3:14
15Jehovah efa nampitsahatra ny fitsarana anao ka nandroaka ny fahavalonao; Jehovah, Mpanjakan’ ny Isiraely, no ao aminao; Tsy hahita loza intsony ianao.Select Zephaniah 3:15
16Amin’ izany andro izany dia holazaina amin’ i Jerosalema hoe: Aza matahotra Ary aza miraviravy tanana, ry Ziona.Select Zephaniah 3:16
17Jehovah Andriamanitrao no ao aminao, Mahery Izy ka hamonjy; Hiravoravo anao amin’ ny fifaliana Izy; Ho sondriana amin’ ny fitiavany Izy; Hifaly anao amin’ ny fihobiana Izy.Select Zephaniah 3:17
18Hangoniko izay manina ny fotoam-pivavahana; Avy aminao ihany ireny, Ary itambesaran’ ny latsa izy.Select Zephaniah 3:18
19Indro, hasiako amin’ Izany andro izany izay rehetra nampahory anao; Hovonjeko ny mandringa, ary hovoriko ny noroahina, Eny, hataoko ho fiderana sy ho anarana ireny izay efa nitondra henatra tany amin’ ny tany rehetra.Select Zephaniah 3:19
20Amin’ izany andro izany no hitondrako anareo miditra, Eny, amin’ izany andro izany no hanangonako anareo; Fa hataoko ho anarana sy ho fiderana any amin’ ny firenena rehetra amin’ ny tany ianareo, Raha hampodiko avy amin’ ny fahababoana ianareo, ka ho hitan’ ny masonareo izany, hoy Jehovah.Select Zephaniah 3:20
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain